James 4

1Avy aiza no niavian’ireo ady sy ireo fifandirana eo aminareo? Moa va ireo tsy avy amin’ny fanirianareo izay miady amin’ny mpikambana eo anivonareo? 2Maniry ianareo, nefa tsy manana. Mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy afaka ny ahazo. Miady sy mifanditra ianareo. Tsy manana ianareo satria tsy mangataka. 3Mangataka ianareo nefa tsy mahazo satria ratsy fangataka, mba hahafahanareo mampiasa izany ho amin’ny fanirianareo.

4Ianareo ry Mpijanganjanga! Moa tsy fantatrareo ve fa ny fisakaizana amin’izao tontolo izao dia fandrafiana manohitra an’Andriamanitra? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao dia manao ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra. 5Sa ianareo va mieritreritra fa ny Soratra Masina dia miteny zava-poana hoe: “Ny Fanahy izay nataony niaina tao amintsika dia saro-piaro loatra”?

6Fa Andriamanitra manome fahasoavana bebe kokoa, noho izany dia hoy ny soratra masina hoe: “Andriamanitra manohitra ny mpirehareha, fa manome fahasoavana ny mpanetry tena” 7Ka maneke an’Andriamanitra. Tohero ny devoly, dia handositra anareo izy.

8Manakaikeza an’Andriamanitra, dia hanakaiky anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary diovy ny fonareo, ry mpiroa saina. 9Malahelova, misaonà, ary mitomania! Aoka ny fiomehezanareo hody fitomaniana, ary ny fifalianareo ho fanjoretana. 10Manetre-tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

11Aza mifanaratsy ianareo, ry rahalahy. Ny olona izay manaratsy ny rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manohitra ny lalàna ary mitsara ny lalàna. Raha mitsara ny lalàna ianareo, dia tsy mpankàto ny lalàna, fa mpitsara. 12Iray ihany no manome lalàna sy mitsara. Izy ilay iray afaka mamonjy sy mandringana. Iza moa ianao, izay mitsara ny namanao?

13Koa mihainoa, ianareo izay miteny hoe: “Anio na rahampitso hiditra ato amin’ity tanàna ity isika, hijanona herintaona any, hanao varotra, ary haka tombony.” 14Iza no mahalala izay hitranga rahampitso, ary inona ny fiainanareo? Fa zavona mipoitra vetivety ianareo ary avy eo dia levona.

15Fa kosa, tokony hilaza ianareo hoe: “Raha sitraky ny Tompo, dia ho velona isika ary hanao an’itsy na hanao an’iroa.” 16Fa ankehitriny ianareo dia mirehareha amin’ireo tetika mieboebo. Ny fireharehana rehetra tahak’izany dia ratsy. Ka ho an’izay rehetra mahalala manao ny tsara nefa tsy manao izany, dia heloka ho azy izany.

17

Copyright information for PltULB